______________________________________________________________
______________________________________________________________
Ary Jesosy niantso tamin’ny feo mahery indray ka nanolotra ny Fanahiny.
Ary, indro, triatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamban’ny tempoly. Dia nihorohoro ny tany, ary nitresaka ny vatolampy, ary nisokatra ny fasana. Ary natsangana ny fatin’ny olona masina maro izay efa nodi-mandry. Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, dia nivoaka avy tao amin’ny fasana ka nankany amin’ny tanàna masina ary niseho tamin’ny olona maro.
Ary nony nahita ny horohorontany sy izay nitranga ny governora sy ny namany izay niambina an’i Jesosy, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io!
(Matio 27:50-54).
______________________________________________________________