Fanavotana ny Olombelona

______________________________________________________________

______________________________________________________________

Rehefa nankany amin’ny fasana ireo vehivavy dia hoy ny anjely: “Nahoana no any amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy eto Izy… efa nitsangana Izy!”

Nitady an’i Jesosy tany amin’ny toerana diso ireo vehivavy. Tsy tao am-pasana Izy.

Maro ny olona mitady famonjena, fiadanana, fitiavana, tanjona ary fanantenana matetika any amin’ny toerana diso, izay tsy ahitany izany.

Ny zavatra tadiavintsika dia hita ao amin’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty.

Na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsapanao ho meloka, tsy mendrika na torotoro, ny fitsanganan-ko velona dia manambara fa voavela heloka sy voamarina ianao.

Ny fasana foana dia fandraisana masina ny fandoavana feno ny fanavotanao.

Foana ny fasana… fa anao ny fanapahan-kevitra. Hanohy hitady ve ianao, sa hitolo-batana?

______________________________________________________________

This entry was posted in Malagasy and tagged . Bookmark the permalink.

Leave a comment